le 08-03-2009 10:17

TSY IZAY MISEHO ANIO

TSY IZAY MISEHO ANIO

 

Tsy izay miseho anio
No hoe hamaritra
Fa mbola ho avy ilay maraina mahafinaritra
Voatokany izao satria
Efa eo Aminy
Ho ahy sy ho anao, tiany sady maminy

Koa aza kivy ianao
Fa raiso re ny tanany
Ny ho avinao rehetra anie efa eo Aminy
Koa matokia ario hatreo ireo tebitebinao
Tsy mainsy ho tonga ilay maraina vaovao

Tsy izay miseho anio
No hoe hitsara anao
Ka hamaritanao izay tsy maintsy ho avinao
Tsy taratry ny ampitso anie izay mitranga anio
Ny Tomponao no ifikiro mafy sy itokio

 

                           Jocelyn RANJARISON
 
 


 
 
le 08-03-2009 10:13

FITIA VOAHASINA

 FITIA VOAHASINA

 

Eto anatrehan'Andriamanitra

No anolorako ny fiainako

Hanaiky anao ho fitiavako

Ho mandra-maty tsy an-kivadika.

Tsy sanatria filan'ny nofoko

Na koa fitiavana hiserana

F'ilay fitia tsy misaraka

Firaisan'aina tena masina  

Fa tena tiako, eny tena tiako  

Fa fanomezana avy aminao, ry Tompo  

Ity olon-tokana meva nofidiako   

Ilay tiako (4x)   

Voninkazo manam-petra ho ekeko mandra-maty   

Entiko anatrehanao, ry Andriamanitra fitia ô   

O ry Ray ô, tiako sady mamiko ianao   

K'’io ny foko sy ny saiko   

Hitia tsy misy fetra ô anilanao   

Ka ny androko tontolo sy ny fiainako rehetra ô ao Aminao      

Tsy hoe tiako izy ka nofidiako      

Fa nofidiako izy ka tiako,

o o o o o 

Ny lalako iny lalan-davitra

Fa rehefa tia tsy mba matahotra

Tsisy olombelona mifankatia

Ka tsy ho tafita am-paradisa soa

Mba mamy loatra ny fitiavana

Asiana tsiky, fandeferana

Ilay fitia tsy mba misaraka

Firaisam-po mifampitantana  

Fa rehefa tia, rehefa tena tia e  

Mahita tsiky tsy resin-dranomaso  

Mifankatiava dia izao: matokia!   

Ilay tiako (4x)   

Voninkazo manam-petra ho ekeko ho mandra-maty  

Entiko anatrehanao, ry Andriamanitra fitia ô   

O ry Ray ô, tiako sady mamiko ianao   

(tiako sady mamiko ianao, ianao tiako)   

K'’io ny foko sy ny saiko hitia tsy misy fetra ô anilanao   

Ka ny androko tontolo sy ny fiainako rehetra ô ao aminao   

(Ka ny androko rehetra sy ny fiainako ho anao)      

Satria safidiko izy      

Dia hotantaniko ny tanany      

Satria safidiko izy ô      

Dia ho tiako hatramin'ny farany      

Satria safidiko izy o

Dia ho tiako hatramin'ny farany

 

NY AINGA
 
 


 
 
le 08-03-2009 10:06

SOA FA TEO IANAO

 

Namely mafy ahy ny tafiotra
Ka saika hanafotra ahy
Nandifotra ahy ny onjan'ny famoizampo
Dia indro ianao jesosy fa nahita
Ka nampitsotra ny sandrinao
Mba hamonjy ahy

 

Soa fa teo ianao jeso malala o fialofako
Vatolampiko sy hery ho ahy
Tsy hanan-tahotra ny foko satria
Eo ianao mpiaro tsy mandao

 

Ho anao indrindra koa no hihirako
Mba hampahery anao raha sendra
Tojo olan' ianao
Omeo an'i Jeso ny entanao ny ahiahy e
Ny aretinao ho sitraniny

 

Soa fa teo ianao jeso malala o fialofako
Vatolampiko sy hery ho ahy
Tsy hanan-tahotra ny foko satria
Eo Ianao mpiaro tsy mandao

 

MIALY RAKOTOMAMONJY

 

 
 


 
 
le 08-03-2009 10:00

Restons Amis

Reviens avant que l'on ne se perde de vue
ou d'imprévus, avant que tout s'efface
reviens et restons encore fidèle
le temps que se détache toute ma peau de la tienne
que disparaisse ton ombre

Restons amis, le temps que plus rien ne fasse mal
le temps de se voir sous un jour différent
restons amis à l'aube de faire ses bagages
sans rien détruire du beau qui nous attend
on aura tout à y gagner sous un jour différent,

restons amis

Reviens , pour les soirs d'amertume
les petites blessures quand rien n'a plus de sens
reviens et reste à proximité pour partager les rires

et les fragilités qu'aucun ne comprendrait

restons amis , le temps que plus rien ne fasse mal
le temps de se voir sous un jour différent
restons amis à l'aube de faire ses bagages
se prendre au jeu , on ne sait jamais vraiment

ce qui pourrait nous arriver sous un jour différent
restons amis

restons amis na na na,

restons amis na na na

restons amis le temps que plus rien ne fasse mal
le temps de se voir pendant qu'il en est encore temps
sous un ciel différent , défaire ses bagages
restons amis

restons amis

restons amis

 

Grégory Lemarchal
 


 
 
le 08-03-2009 09:52

OMENA ANAO

Ny fahazazako

Sy ny nofy tao

Samy nangalako

Natokako anao

Zay rehetra lasa

Sy zay mbola kinasa

Foiko manontolo omena anao

 

 

Ny hatanorako

Voninkazo soa

Tsy mba norarako

Notoazako avokoa

Dia nataoko amboara

Mirindra sady tsara

Foiko manontolo omena anao

 

 

Ity tononkalo

Zay hiraiko ity

Tsy ilan-takalo

Fa vokatra fitia

Hatramin'ny aiko

Zao ihany no lazaiko

Foiko manontolo omena anao

 

 

BESSA

 

 


 
 
 

Ajouter un commentaire

Pseudo : Réserve ton pseudo ici
Email :
Site :
Commentaire :

Smileys

 
 
 
Rappel article