le 08-03-2009 09:36

EFA ELA

EFA ELA


Efa ela (3) no niantso anao Kristy
Efa ela (2) fa ianao no niavona sy be siasia
Efa ela (3) no niandry anao Kristy
Efa ela hatry ny ela niandry anao
Miverena ry ondry nania

Ny masony ny fijeriny
Tsy miala isan’andro ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany entiny hanavotana anao

Ireo ditra izay vita
Mamelà ifonanay ry Ray
Tsy hita isa isa-minitra
Raha any heloka vitanay hatrizay

Mitalaho izahay anio mBa fafao madio
Ity loton-janakao ity
Ity izahay tariho lalan-tsara fidio
Hanantonana indray ny lapan’ny Ray

Ny masony ny fijeriny
Tsy miala isan’andro ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany entiny hanavotana anao

Mpanota manontona
Dieny Mbola miantso anao ny Ray
Fa raha izy no manadino anao
Ho very ianao mandrakizay

Ny masony ny fijeriny
Tsy miala isan’andro ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany entiny hanavotana anao
  

 

VHF

 


 
 
le 08-03-2009 09:35

TSIARO ANAO

 TSIARO ANAO

 

Mahatsiaro anao foana aho

Ry ilay tiako lavitra ahy

Ny ato am-poko toa misaona

Lasa saina sy fanahy

 

Mahatsiaro anao foana aho

Ry ilay tiako sy lalaiko

Mba maniry ny hihaona

Aminao ry sombinaiko

 

Mba satriko e hitoetra anilanao

Hamihina anao raha azo atao

Hankamamy ilay fitia, ilay fitia

Tiako mba aharitra ho doria

 

Nefa indrisy nofy izany

Eritreritro ihany

Ry tsy foiko lavitra any

Mba iantrao 'ty fo tomany

 

Mba satriko e, hitoetra anilanao

Hamihina anao raha azo atao

Hankamamy ilay fitia, ilay fitia

Tiako mba aharitra ho doria

 

Indro alefako hiampita

Amin-kira izay kaloiko

Mino aho fa ho tafita

Aminao ny vetsom-poko

 

Njakatiana & Mialy

 

 


 
 
le 08-03-2009 09:34

NY HIRANTSIKA

NY HIRANTSIKA


Maro ihany irony hira efa niseho
Samy manana ny tonony sy feo
Ao ireo mitory fijaliana
Ao ireo milaza fifaliana
Ireo milaza filaza fifaliana

Ireny rehetra ireny raha arahi-mozika
Dia mamoaka hira ankafinzin-tsika
Nefa tsy hita akory dia injay
Nefa tsy hita akory dia injay
Mora adino mora lefy toa tsy hay

Fa ny hirantsika kosa mbola hafa
Tsisy feony ka tsy hain'olon-kafa
Ny ato am-poko no mikalo sy miritsoka
Ny masonao izay hiantefany dia ho ditsoka

Ny hirantsika tsy ho adino tsy ho lefy
Na dia tafasaraka aza tsy voafefy
Fa toa kofehy mampitohy lalandava
Ka tsy afaka ao am-po sy eo am-bava

 

NARISOA

 
 


 
 
le 08-03-2009 09:32

L'amitié

L’amitié

 

Beaucoup de mes amis sont venus des nuages

Avec soleil et pluie comme simple bagages

Ils ont fait la saison des amitiés sincères

La plus belle saison des quatre de la Terre

 

Ils ont cette douceur des plus beaux paysages

Et la fidélité des oiseaux de passage

Dans leur cœur est gravée une infinie tendresse

Mais parfois dans leurs yeux se glisse la tristesse

Alors, ils viennent se chauffer chez moi

Et toi aussi, tu viendras

 

Tu pourras repartir au fin fond des nuages

Et de nouveau sourire à bien d'autres visages

Donner autour de toi un peu de ta tendresse

Lorsqu'un autre voudra te cacher sa tristesse

 

Comme l'on ne sait pas ce que la vie nous donne

Il se peut qu'à mon tour je ne sois plus personne

S'il me reste un ami qui vraiment me comprenne

J'oublierai à la fois mes larmes et mes peines

Alors, peut-être je viendrai chez toi

Chauffer mon cœur à ton bois

 

Françoise HARDY

 

 


 
 
le 28-02-2009 22:35

HARMONIA

 

Izay feon-kira izay feon-kirantsika

Henoy tsaronao ve izay ilay mozika

Natao fidirana taorian'ny litorzia

Ianao nitendry ilay harmonia.


Izay feon-kira izay tsaroako tsara

Izahay sy neny koa niditra tara

Tery aloha tery, vao nisy hitoeranay

Fa voka-dehibe tamin'izay.


Andro Paka moa io andro io

Hipoka avokoa ny dabilio

Vao niditra izahay dia hitako ianao

Nitendry ilay harmonia.


Nitodika ianao nijery ahy

Toa te-hitsiky angaha nefa tsy sahy

Izaho sadaikatra, namindra saikatra

Saiky tsy afa-nandeha raikitra.


Niondrika aho satria menatra mafy

Hilefa ho aiza moa voatery nihafy

Ny doboky ny fo injao fa mafy ery

Toa hoe hihoatra ilay harmonia.


Tsy dia fantatro izay lohateny

Ny hany tsaroako dia ny feony

Fa ho ahy mantsy izy izay

Lay feona harmonia

Feon-kira milaza fitia

Fa ho ahy mantsy izy izay

Lay feona harmonia

Feon-kira milaza fitia.

 

BESSA SY LOLA

 


 
 
 

Ajouter un commentaire

Pseudo : Réserve ton pseudo ici
Email :
Site :
Commentaire :

Smileys

 
 
 
Rappel article