EFA ELA
Efa ela (3) no niantso anao Kristy
Efa ela (2) fa ianao no niavona sy be siasia
Efa ela (3) no niandry anao Kristy
Efa ela hatry ny ela niandry anao
Miverena ry ondry nania
Ny masony ny fijeriny
Tsy miala isan’andro ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany entiny hanavotana anao
Ireo ditra izay vita
Mamelà ifonanay ry Ray
Tsy hita isa isa-minitra
Raha any heloka vitanay hatrizay
Mitalaho izahay anio mBa fafao madio
Ity loton-janakao ity
Ity izahay tariho lalan-tsara fidio
Hanantonana indray ny lapan’ny Ray
Ny masony ny fijeriny
Tsy miala isan’andro ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany entiny hanavotana anao
Mpanota manontona
Dieny Mbola miantso anao ny Ray
Fa raha izy no manadino anao
Ho very ianao mandrakizay
Ny masony ny fijeriny
Tsy miala isan’andro ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany entiny hanavotana anao
VHF
TSIARO ANAO
Mahatsiaro anao foana aho
Ry ilay tiako lavitra ahy
Ny ato am-poko toa misaona
Lasa saina sy fanahy
Mahatsiaro anao foana aho
Ry ilay tiako sy lalaiko
Mba maniry ny hihaona
Aminao ry sombinaiko
Mba satriko e hitoetra anilanao
Hamihina anao raha azo atao
Hankamamy ilay fitia, ilay fitia
Tiako mba aharitra ho doria
Nefa indrisy nofy izany
Eritreritro ihany
Ry tsy foiko lavitra any
Mba iantrao 'ty fo tomany
Mba satriko e, hitoetra anilanao
Hamihina anao raha azo atao
Hankamamy ilay fitia, ilay fitia
Tiako mba aharitra ho doria
Indro alefako hiampita
Amin-kira izay kaloiko
Mino aho fa ho tafita
Aminao ny vetsom-poko
Njakatiana & Mialy
NY HIRANTSIKA
Maro ihany irony hira efa niseho
Samy manana ny tonony sy feo
Ao ireo mitory fijaliana
Ao ireo milaza fifaliana
Ireo milaza filaza fifaliana
Ireny rehetra ireny raha arahi-mozika
Dia mamoaka hira ankafinzin-tsika
Nefa tsy hita akory dia injay
Nefa tsy hita akory dia injay
Mora adino mora lefy toa tsy hay
Fa ny hirantsika kosa mbola hafa
Tsisy feony ka tsy hain'olon-kafa
Ny ato am-poko no mikalo sy miritsoka
Ny masonao izay hiantefany dia ho ditsoka
Ny hirantsika tsy ho adino tsy ho lefy
Na dia tafasaraka aza tsy voafefy
Fa toa kofehy mampitohy lalandava
Ka tsy afaka ao am-po sy eo am-bava
NARISOA
L’amitié
Beaucoup de mes amis sont venus des nuages
Avec soleil et pluie comme simple bagages
Ils ont fait la saison des amitiés sincères
La plus belle saison des quatre de la Terre
Ils ont cette douceur des plus beaux paysages
Et la fidélité des oiseaux de passage
Dans leur cœur est gravée une infinie tendresse
Mais parfois dans leurs yeux se glisse la tristesse
Alors, ils viennent se chauffer chez moi
Et toi aussi, tu viendras
Tu pourras repartir au fin fond des nuages
Et de nouveau sourire à bien d'autres visages
Donner autour de toi un peu de ta tendresse
Lorsqu'un autre voudra te cacher sa tristesse
Comme l'on ne sait pas ce que la vie nous donne
Il se peut qu'à mon tour je ne sois plus personne
S'il me reste un ami qui vraiment me comprenne
J'oublierai à la fois mes larmes et mes peines
Alors, peut-être je viendrai chez toi
Chauffer mon cœur à ton bois
Françoise HARDY
HARMONIA
| |
Izay feon-kira izay feon-kirantsika Henoy tsaronao ve izay ilay mozika Natao fidirana taorian'ny litorzia Ianao nitendry ilay harmonia. Izay feon-kira izay tsaroako tsara Izahay sy neny koa niditra tara Tery aloha tery, vao nisy hitoeranay Fa voka-dehibe tamin'izay. Andro Paka moa io andro io Hipoka avokoa ny dabilio Vao niditra izahay dia hitako ianao Nitendry ilay harmonia. Nitodika ianao nijery ahy Toa te-hitsiky angaha nefa tsy sahy Izaho sadaikatra, namindra saikatra Saiky tsy afa-nandeha raikitra. Niondrika aho satria menatra mafy Hilefa ho aiza moa voatery nihafy Ny doboky ny fo injao fa mafy ery Toa hoe hihoatra ilay harmonia. Tsy dia fantatro izay lohateny Ny hany tsaroako dia ny feony Fa ho ahy mantsy izy izay Lay feona harmonia Feon-kira milaza fitia Fa ho ahy mantsy izy izay Lay feona harmonia Feon-kira milaza fitia.
BESSA SY LOLA |
Commentaires